Anisan'ny zavatra tena tiako tanterahana, dia ny hanoratra boky.

Ilay teny gasy aloha, ialana tsiny indrindra fa mety be diso ... ny tena moa, sady tsy nianatra teto antoerana, no sady ...tsy maintsy fanandrakandramana no fiatomboana aloha!

Tantara tsotra no tena tiako, tantaram-pitiavana... mbola tsy tapitra ito boky ito (Malala), tena mbola ampiatomboany fotsiny izy io ary mila tohizoko miandalana eny! Efa nieritreretiko daholo ny fandean'ilay tantara fa hafa ihany ilay mieritreritra amin'ny ankapobeany, sy ilay mamôka azy avy amina pejy fotsy ^_^

Ito tantara ito zany dia miezaka o tantara tsotra sy tantaram-pitiava (arakin'ny voalazako teo oe tiako), dia miresaka momban'i Malala, tohovavy miasa amina pizzeria izay lasa miaraka amina mpiara-miasa aminy... indrisy...... 

Malala: Tantara gasy

Tantara gasy I

29.10.2011 17:35
  Efa ho tamin'ny sivy ora alina angamba ny andro, nefa tsy nety nitsahatra tonga ny olona. Ny andro ko nafana rahateo, ka nazoto ny rehetra, mba hinana an'izany pizza malaza tao amin'ilay pizzeria vaovao, "Pizza Buona" , vao nisokatra teo Ambodifilao.    "Efa tena reraka loatra aho...

Tantara gasy II

29.10.2011 17:36
-Ny salami tompoko fanampina pizza, dia arakaraky ny habetsany no vidiny, fa 10 000 Ariary le izy ra tsisy fanampiny .- Somary nisalasala ilay lehilahy tezitra:-Fanampiny ahona? ilay nohetinin' zalahy avy any nge mila tsy hisy mintsy e!- -Ie, ka ra misy fanampiny de mitombo... 2 000 Ariary.- Tena...

Tantara gasy III

29.10.2011 17:37
 Andriamatoa Andrianarivelo Richard no anarany, tsy nasiaka izy fa entitra ary nitandrona tsara tamin'ny resaka vola. Rehefa nahita izy ndraindray fa, takona ao andakosia, dia nangalampinana ny ingrédients mahatetika ny mpiasany, tsy nasiany rindrina intsony teo anelanelan'ny lahatabatra...

Tantara gasy IV

29.10.2011 17:38
 Ankoatran'izay, dia nisy an'i Dina ko niasa tao amin'ny pizzeria: mpanampy an'i Christian izy io, satria be asa be ilay piazzaiolo: rehefa lany ny ingrédients, rehefa mila manapaka voatabia, tongolo, salami sns, dia izy no tsy maintsy miandraikitra an'ireny ... ny tena asany dia ny tsy mamela...

Tantara gasy V

29.10.2011 17:39
 Isanandro namboarin'izy mianadahy tamin'ny iraikambininfolo ny fotoana, teo amin'ny Paositra eo amin'ny 67 ha, satria amin'ny iraikambininfolo ora sy sasany atoandro no nisokatra ny pizzeria isanandro. Dia narahin'i Landy arabakiteny tokoa ilay fifanarahiny izy mianaka, niseo olomarina izy,...