Tongasoa ato amin'ity tranonkala gasy ity!  

   Ampanajana, no andraisan'ny tenako anao, tongasoa eto amin'ity tranontsakako ity. Mirindra no anarako, olon-tsotra tia manoratra tononkalo aho, teraka tao amin'ny tananan'ny Ambodifilao tamin'ny taona 1987.

 Tamin'ny naha iraikambianinfolo taonan'ny tenako, no nanoratra ny tononkaloko voaloany aho. Tamin'ny teny italianina  moa izy io tamin'izany, satria ny tena nipetraka sy nianatra tany hivelany. 

 Nanomboka tamin'io fotoana io, dia nisy fitiavana vaovao nisafo ny foko, ka nanohy nanoratra aho, tamin'ny teny italianina ihany ko.

Nohon'ny izao niverina teto an'tanindrazana, dia nanandrana namoka tononkalo tamin'ny tenin'tsika aho, tamin'ny teny gasy... na dia sarotra dia sarotra aza ity tenin'tsika ity, dia nahafinaratra ilay andrana, ka notohiziko ary... nanandrana nanoratra boky ko aho...  Andrana, ato amin'ny tranontsakako ity no zaraiko ireto andrana. Misaotra anao ra mitsidika, merci be ra mamaky, dia miverena ra mankafia!