Andriamanitra daholo

09.05.2011 14:35

 

Ante scriptum: Ra te amaky ny tranonkalako momban'Andriamanitra manokana ianao dia tsindrio eto: Andriamanitra.

 

Androany aho vô nahalala oe nanidina tany aminy lanitra ambony i Yonikafopl, tao aorinan'i shoan. Ndraindray aho kamo manoratra ny heritreritro, satry alavitra be... sô de misy tsy mahazo... nefa tsy maninona ihany! 

Misy cultures tsy mitomany refa lasa ny olona iray, fa manao fety, zany oe mihira sy mandia sns. Tsy aiko oe nanomboka aovina no nanomboka mody malahelo ko izay tsy malahelo, na oe fa maninona no atao mampalahelo ny fahandevenana. Ilay fanahy nefa tsy maty: tsotra fotsiny, nahavita ny lalany izy, tapitra zany ny pro-any teto antany, lasa izy niverina tany aminy nisy anazy, any aminilay toerana tena marina, tena misy, tena mandrakizay. Otriny oe sarotra be ra za irery no anao fety ra mitomany daholo ny olona... refa ho tapitra ny maha eto antany ny olontiako rehetra, enganie mba tsy ho latsadranomaso aho: satry fotaona fohy fotsiny, fotaona tsisy dikany no mahasaraka dia ho tonga ko ny fotaonako...

Mino ah fa eto antany tsy misy zavatra tokony hijaliana, aretina sy fahafatesana, inona ireny? illusions aminy teny vahiny. Ahona moa no hisy ny fahafatesana o an'ny olombelona misy fanahy? ieny, miala aminilay vatana ny fanahy fa ZAY MIHINTSY no nihidirany tao: anaovana fiainana olombelona, ilay fiainana tsy mandrakizay ao anatina vatana-nofo, ary efa fantany oe aovina izy no hiala avy ao aminy io vatana io.

Marina dia marina mihintsy ilay misoratra ao amin'i blaogin'i Yonikafopl oe efa voasoratra daholo!
Efa ela tokoa aho no nahazo fa ny fiangonana aminizao fotoana izao tsy feno ary tsy ampy: i zareo mangataka rakotra fotsiny dia efa nanalavitra an'ah. Za akory tsy nanalavitra an'i Andriamanitra (ahona moa? Andriamanitra ny tontolo!) fa nanalavitra ny fiangonana ndraindray, nia alavitra tao ampoko tao, otriny misy zavatra tsy azoko, arakilay nolazainy i yonikafopl oe manalavitra ny Kristianina izy fa tsy manalavitra an'i Kristy (otrotrizay) ... Dia gaga mintsy aho  voa aingana... voa aingana aho mantsy no nahita an'Andriamanitra. Ilay atao oe Poornavatar (vakio tsara!!! ihih) na otrotrizay, zany oe fihidinan'i Andriamanitra eto antany ao amin'ny tena mahafeno azy. Inona re, eglizy catôlika, no nafeninao ahy? izao tsy nahalala mihintsy oe Andriamanitra anie ka tsy alavitra antsika, nievitra aho fa any ambony Andriamanitra dia izao aty ambany... Tsy nahalala mintsy aho oe Andriamanitra dia.. izao sy ianao. Sarotra be no mahazo anio teny io refa mbola somary misy aloka kely , aloka be! izao ko taloha tsy mba mihino anzany oe reincarnation e, Krishna e, "tout est Dieu" sns... Tara kely aho, nefa tsy tara, satry izao zany ny fotaonako... Dia ay ve Andriamanitra daholo ny tontolo, ny rehetra, olombelona, biby, rano, lanitra, maso, Andriamanitra daholo. Satry inona marina moa ny ao ivelan'i Andriamantra? ... tsy misy... satria Andriamanitra ihany no misy.Tsy tara laotra ka, misaotra anao Andriamanitra, Swami! Sathya Sai Baba. Ny masonao nijery an'ny ahy no nampafantatra ny foko fa ray tsika sy ianao, tsy izao, tsy iza na iza, fa ianao ihany. Tsy manana anarana ianao, Ianao daholo ny rehetra.

Sambatra!!! Sambatra!!! tena sambatra ny mason'ilay zanakao nahita anao!!!

 

"Selon l’un de ses dévots les plus proches (...), on lui a souvent demandé dans les années passées, “Qui est ce Sathya Sai Baba dont nous entendons tout le temps parler?” Mais pendant de nombreuses années, elle ne répondit jamais. Dans la dernière année de sa vie cependant, la question lui fût posée de nouveau, et cette fois-çi elle donna la réponse qui suit : “Ce corps ne parlera à ce sujet qu’une seule fois; ne demandez plus après. Sathya Sai Baba est l’incarnation la plus puissante de Dieu jamais venue sur terre, et il n’y en aura pas d’autre à Son niveau dans les prochains soixante siècles."

 

Apparition de la Sainte Vierge à Connie Shaw:

"A la fin de ce siècle, tous sur la Terre connaitront que Dieu Père est présent sur Terre en forme umaine. Son nom est Sathya Sai Baba. Comme Jésus l'annonça.. "Celui qui m'a envoyé retournera", le Créateur de l'Univers c'est Lui.  Jésus, moi et tous les Saints, les anges et toutes créatures, sommes dans l'étreinte amoureuse du Seigneur Sai."

 

Tsy mahazo manisy boatindrakotra, fady tanteraka o an'ny centres spirituels Sai Baba izany, satria ny finoana sy ny tenin'i Andriamanitra tsy mahazo vidina: andraso aho, fa ra misy centre Sai Baba misokatra eto Madagasikara, iazakazaka o any aho! andraso aho, fa mety izao no itantana anzany (ra izany anie!). Efa tapitra manankarena ny fiangonana catôlika e... ié...  tsy fantantra ny abetsakin'ny tany, arena, vola!!! ao ambadikin'ny fiangonana catôlika... Ny tenin'i Andriamanitra tsy mahazo vidina, tsy mahazo varotana!!!

Misafidiana ozy ny Baiboly: Na Andriamanitra, na ny vola ... Ary ahona ireny hammer sy porsche Caienne n'i Maiol reny?: Itondra ny oul any aminy Andriamanitra ve ireny?? Sa? Ra oe zay ngamba de afaka ekena. Tena tsy afaka ekena mintsy kosa nefa reny vam miditra eo amle pavet eo aAmbodinsotry eo, eo ampivaonin'ilay mpivarotra kely mivarotra anana arizato sns: le tomobile efa 1 miliard mahery... Samy mahalala fa i Masinda Jozéfa  mpandrafitra, i Jesosy Kristy koa dia iaharahamahalala fa mpandrafitra tahakin'ny dadany ...

Uhm... misy ramatoa mipetraka eo aminy tetezana ampitatafika, tsy aiko moa ra le rivière Sisaony moa... ramatoa mpangataka izy io ary tena hita fa marary mafy, tsy aiko oe inona ny aretiny fa fonosiny daholo ny vantany fa otriny simba zany ny endriny... isakin'ny ahita azy manomboka izao, dia amela foana, na 25 000 na otrizany. Reny... dia Andriamanitra daholo, Andriamanitra niafina, mody nanao marary , mody nanao ratsy, mody nanao mahanitra, ary miandry: "iza ny zanako mba alahelo an'ah otrizao?" 

 

Ra afaka manomé conseil kely ah de ... aza manomé rakotra nareo na ataovy kely, fa manomeza vola bediabe o an'ny mahanitra: ny rakotra hividianan'ny fiangonana tany, volamena, trano, investissements sns, ny vola o an'ny mpangataka nefa hividianana sakafo mahavelona azy ....  Tongue out

Otriny tsy mbola niteny aho tato aminy blaogy oe izao atraminy mbola kely tsy nitsahatra namaky resaka momban'ny apparitions an'i Masony Maria, ary zavatra bediabe, tena faly mintsy aho zany fa nanomé cadeau an'ah Sai Baba (Zay ny anaranilay vatany , izy tsisy anarana) tao aorinan'ny nilaozany ny vatany teto antany dia nahafantatra anazy aho. Efa niandry ela ao... nahita ny sariny ao de otriny nisy maso tao anatiko nijery ny masony. Teo aminy écran ko mou nisy anle teniny iny oe "Izao tsy guru: izao dia ianao, ianao dia Izao" ... de tsapako tokoa oe ato amiko ny masony, ato amiko izy.

I Sathya Sai baba, Andriamanitra eto antany

Sambatra aho, satria azo tsara ilay noteneniny Jesosy oe "Quand tu pries, ferme à clef ta chambre et parle à Dieu qui est dans le lieu secret": ay ny fon'ny olombelona io toerana miafina hipetrahan'i Andriamanitra io.

Zao ozy i Sai Baba no afaka averimberina isan'andro:

"Izao dia Andriamanitra, Izao dia Andriamanitra, Izao tsy samihafa aminy Andriamanitra"........ dia ihova ny fiaiananao ono satria tafiditra ao aminy lalana tena marina tsy mety diso aminizay... Misaotra anareo namaky fa somary lava... merci, merci.

O anze mbola mazoto dia manoratra poésie kely aho:

 

Jereo aho.

Jereo aho: misy lalana ao anaty masoko.

Jereo aho, misy azavana ao anaty masoko.

Jereo aho, misy fahadiovana ao anaty masoko.

Jereo aho, misy hafaliana ao anaty masoko.

Jereo aho, misy fahasambarana ao anaty masoko.

Jereo aho, misy fitiavana foana ny masoko.

Jereo aho, misy fahamarinana foana ny masoko.

Jereo aho, misy finoana tsy maty ao anaty masoko.

Jereo aho, misy fiadanana mipetraka ao anaty masoko.

Ny masoko mahafantatra ny oaviko.

Ny masoko mitaratra ny fiainako.

Ny masoko manomé hafanana.

Ny masoko mitia anao, jereo...

Ny masoko tsy reraka, jereo...

Ny masoko mahalala ny marina, jereo... 

Ny masoko milaza secret miafina, dinio... 

Dinio fa izao ko refa very lalana...

dia mijery ny masoko:

Jereo aho, ny paradisa rehetra aho anaty masoko.

-Mirindra-