Hery... vaovao
Misy hery ato anatiko. Tsy maintsy ho fantatro ihany oe ahona no ampiasaina azy...To mbola tsy notantaraiko anareo ty... na de efa notantaraiko tamin'ny olona fantatro rehetra azy... oe i mamanay to nampijery ny oaviny taminireny mpanaky karatra ireny, na reny mahita ny oavy ireny (na tsy mahamaky karatra aza), de nahita zany le ramatoa oe zao sy zao, oe hipetraka any andafy izy, de oe hiteraka roa, de ny ray aminireo zanakao reo (ozy le mpamaky karatra), dia ho artista.
Taloha tena himehezako fotsiny io resaka io... nandrintran'ny taona maro nimehezako satria na sarina-atody aza tsy aiko atao
de torak'izany koa, juste "Joyeux anniversaire" no aiko tendrena amin'ny piano (do-do-re-do-mi-fa, eheh). Zao nefa misy miantso ao anatiko... fa aleo ho tantaraiko miadana. Nisy indrémandé zay somary kivy sy nataoatra ah, dia nieritreritra ny oaviko oe "de ahona ty, sy ty, de ahona ko ty, ahona ny vola, aiza, de ny trano, de ny tomany, de ny fery" sns. Tsy afenina aminareo fa za tragique be foana!!! De teo ampieritreretina an'ireny , nisy "heritreritra", "feo", niresaka tao anatiko. Mariana fa otriny oe feoako le izy nefa tsy heritreritro mihintsy. De ozy le feo tamiko oe "Enao milaza mino an'ah, nefa ataonao aiza aho ao anatin'zany heritreritra izany? tsy tafiditra ao mintsy ah zany?" Tonga de nazava tampoka ilay maizina, teo ny eo aho tsy nieritreritra oe avy aiza le feo fa taitra fotsiny ah oe ... "marina zany! inona fotsiny no ilazako oe mino an'Andriamanitra ah, nefa mataotra be otrizao otriny oe olona tsisy Andriamanitra?" De tao aorinan'io, nisy zavatra niengeza foana tato anatiko. Otriny oe hery le izy, otriny oe fitiavana. Le izy tsy fitiavana o an'ny olombelona ray, fa fitiavana o an'i Andriamanitra! tsy azoko mihitsy!
Taloha aho menatra na niteny aza oe "Ray oh..." refa mivavaka, satria oe dadako ve zany Ozy? zao ah lasa mitomany miteny oe "Andriamanitra, tiako Ianao!!!". Tsy afaka azavaina io fa tsy maintsy tsapa... lasa nalefaka ny foko, refa "mitodika" aho, refa "mihiditra" ato anatiko, ato am-poko moa zany, tonga de tsapako mafy be io fitiavana io, fitiavana o an'i Andriamanitra. Bon, taloha ah mody oe "tia", satria otriny oe ratsy enao ra tsy oe tia an'Andriamanitra, fa fitiavana amin'ny teny io, fa tsy tena oe tsapa tao am-po. Zao tena fitiavana tena tsapako tsara mihintsy ... fa le izy tsy fitiavana arak'reny oe "tara, babo" reny, fa fitiavana madio be de afaka alefa... ohatra oe afindrako eo amin'ny biby... ieny e, mino ah fa mahay daholo ny olona, ohatra oe afindra amin'ny zanakao izay tinao. Fa zao zany, ny fitiavana tsy manam-petra, ary mahavita ny zavadrehetra. Afaka ampiasana hanasitrana... Hum, fa mbola classe ambonimbony io de mbola tsy tonga any ah! lol.
Fa hiverina amin'ilay hery ah. Misy hery ato amiko zany de tsapako miengeza izy, otriny oe olonkafa... otriny oe misy olona telo zany ato amiko, tsy possession an! fa otriny oe misy niveau telo, ilay ray, ao amin'ny fiadanana tanteraka de mijery sy manomé fitiavana an'ah. Ny ray kosa, ilay eo antenatenany, dia zao izy io, za, za izay hitako amin'ny fitaratra. Misy fahatelo ko, io fahatelo io za ihany ko, fa otriny mbola zazakely, zany oe mora mataoatra, mora taitaitra. De za zany refa miaino an'ilay voaloany, dia milamina be, zen tanteraka. Refa ilay fahatelo no enoko, tonga de mora taitaitra be, tsy misy finoana... otrizany. Ra ohatra zany misy zavatra mety mampiahiahy, ra ao amin'ilay voaloany aho, de tsy taitra mihintsy sady ao ampitiavana foana.. Refa ao amin'ilay fahatelo kosa aho nefa, de manao crise be. De reo anakiroa reo zany miresaka ato amiko zao de za miakatra, misy tohatra tsy maintsy iakarako satria mandé be le fotoana.
Mino ah fa misy antony matoa amin'ny film na sary mietsika asiana anle devoly kely etsy à gauche de le anjely kely etsy ankavanana. Lol! Anao ohatra ah. Misy asa ohatra tokony ataoko... tonga de mietsika ilay fahatelo oe "Ahona re no avitako anio, tsy ho vitako mihintsy io!!!" miampy taoatra. De tonga ilay voaloany de miteny izy oe "Satria ahona? inona no tokony tsy ahavitanao anio? Tsy fantatrao fa Andriamanitra tompon'ny zava-drehetra?" De lasa milamina ny saiko. Fa attention, taloha tsy otrizany mihintsy fa tonga de le fahatelo io foana no niainoko! oe "tsy vitako io" "tsy aiko io"...Mbola lava aloha ilay tohatra e!Bon! tsy tadidiko oe aovina, nahalala an'ilay oe "ho oponopono" ah, de nataoko io... Tsotra be zany io: miteny fotsiny enao oe "Tiako ianao, misaotra anao ah, manao azafady anao ah"... de averimberina. De tsy azoko mihintsy oe manao an'io ah de te hitomany! tonga de mangovitra ny foko ... de nisy hery nifoa anakiray koa zany tao aorinanio, herim-pitiavana ko io! Tsy afaka lazaina oe olona, fa mody atao oe olona zany satria tsika olombelona mbola tsy dia mahalala loatra an'izany hery zany, dia mody o ataoko oe misy olona zany ao anatiko de refa manontany zavatra anazy ah tonga de misy fitiavana de te hitomany de tanteraka ilay zavatra. Mety mieritreritra ianao oe Andriamanitra ihany io, ieny e! ka Andriamanitra daholo moa ny rehetra, fa misy "role" samihafa. Io "hery", "olona" ray io zany ra azoko tsara (satria nitady an'io tao am net ah) dia ilay "Enfant Divin" na "partie Divine" ao anatin'ny tsirairay. Zany oe, tsika tsy olombelona ihany, ary tsy irery mihintsy refa tonga eto antany. Fa sarotra be ny manazava an'io rehetra io, fa ny tiako lazaina fotsiny oe misokatra ny masoko, so ihany! efa manakaiky mantsy ty ny 2012 lol! De misy hery zany, zay le resaka teo, mety oe herina "Artiste"? mila hipoaka! tsy aiko oe hery atao inona moa, fa HERY 
