Inona ara ny tenimiafina...

04.11.2011 16:28

Inona ara ny tenimiafina androany? Délestage, mazava oazy! Mino ah fa mandalo amin'io daholo amizao ... ka tsy misy fika ... refa tapaka daholo ny télé, radio sy... indrindra indrindra, aterineto! dia mitanin'afo ... 

entre pa, manga otriny afo gaz ato amin'ny sary ilay afo saribo! andro arivariva avy orana, maizina sy mangina dia... miresadresaka. Otriny omaly ariva! Mahafinaritra :) 

Mahafinaritra refa tsy dia mitranga matetika, indrisy andavan'andro sy... tsy te hiteny aho oe: andavan'ora!  lol. 

Nividy cable sata zay tamin'ny talata teo (o an'ireo tsy mahalala dia resaka pc, andraikaitana disque dur amina pc amin'ny alalan'ny usb izy io) dia tamin'ny tonga tato antrano dia tsy nandeha ilay izy... ka niazakaza niverina tany amin'ilay mpivarotra zahay dia ohy ilay mpivarotra ... izay sinoa moa zany ... oe "Latsy jilo madagasikala"! ahaah! (mazava oazy ngamba io oe ratsy ny jiro eto madagasikara).

Avieo moa tsy nety ihany ilay izy, fa tsy ilay cable sata no olana fa ilay disque dur ko no tsy hita tao anaty pc. Ny olana faharoa koa kanefa, dia efa namindra zavatra bediabe tao ah, tamin'ny fotoana nilaivako Giga maromaro tato amin'ny pc-ako. Azafady, ordinatera mantsy. Ka ilay sary sy hira ary sarimihetsika zao efa ao anatin'ilay disque nefa ilay izy tsy afaka hidirana ... mbola tsy hita ndray aloha atreto izay o atao! :) zay efa maika be tamin'io satria ny ordinatera ato efa feno tsetsona, ny an'ah moa efa 3 giga sisa dia tsy afaka maka sarimihetsika amin'ny aterineto aloha fa so de miada-be loatra avieo ny fiasako refa lany ireo giga ireo... mety oe otrin'ny entana ato antrano ihany ko io ngamba: oe tsy maintsy terena ny saina anary izay tsy ilaina intsony fa tsy tazomina ambakin'ny kitapo kely rovitra fientina tamin'ny mbola maternelle lol!