Mamaky an'ilay blaogiko farany
Mamaky an'ilay blaogiko farany (sady voaloany) nosoratako tato ah io, ilay miafarana amin'ilay resaka peratra. Indrisy! androany andro hiverenana miasa ndray no adinoko le peratra. Nefa, arakin'ny voalazako farany, tiako be ny mahita an'ilay izy be dia be eo amin'ny ratsa-tanana, sady refa manoratra amin'ny ordinatera dia hitako daholo eto ambanin'ny masoko izareo dia mahafinaritra be.
Omaly ah tsy afaka nanao volo, nakany amin'ilay mpanao voloko ah fa lany ny courant-any! nefa za ko kamo anandrana hafa, satria ilay anaovako io ihany no tiako, de tsy naintsy tany antrano no nanasa sy ... "nanao" an'ilay volo: tsy natao inona akory izy io, fa nilemana dia nasina karazana gel efa an'ah avy any Italie : Fructis Garnier manao volo olo.

Indrisy! ilay volo efa zatra tsorona isak'erinandro dia lasa mitsotsotra, fa tsy mety miolo intsony! Nefa za ko tsy dia tia mamato-bolo refa mbola madio be (ny an'ah mantsy refa manomboka gras vo fatorako) nefa tsy maintsy o fatorako ihany ngamba fa mitsotsotra ngita hafahafa! Ahahah... ka, any andafy zany ilay manao volo oly tena misy mpankafia be, eto dago tsotra no tena mandeha, nefa iara-mahalala ny kalitaon'ny volon'ny tovovavin' Antananarivo fa mahatetika somary oly zay.
Torak'izay koa moa ny an'ah, tsisy hafa. Fa ilay mpanao voloko ilay fandeako io, mahay manao be de lasa tsotra be ilay volo, mbola tsy nahita mahay manao otrin'azy mintsy aho atramizao. Sady azoazo tsara ny prix-any (14 000 fmg ny an'ah zao, izy somary hivelan'ny Antananarivo), aty amin'ny ville efa 25 000 ny manao an'ny voloko, nefa za tsy afapoa avieo dia lasa mavezatra be le vola lasa, lasa be lanja lol. Mafana be ko ny andro, mila mividy karazana kiraro maromaro ihany ah, efa misy betsaka ihany ao antrano fa ra tena diniana vitsy ny tena anaovako... ka ny dikan'izany oe tsy maintsy mividy ndray lol! Atrizao aloha, mbola somary sahirana ihany ah amin'ny resaka kiraro. Tamin'ny vao tonga teto dago aloha, shockée be ah nitetitety tsena :D tsy nahita kiraro afaka vidina mihintsy... Mandahy be ny saiko vao mahita frippe (satria mbola miraikitra ato andoako laotra ilay fanarimpako "o an'ny tiers monde", ilay anariana an'izireny any andafy), nefa ny kiraro original 1 milion fmg. Nefa mety sahiko ihany ny maka original ra tena sur ah oe original! satria otrin'ny solomaso ihany io: refa tsy original manimba maso. De mila mividy ah zany, ka ireny karazana ballérine reny no ketreako... enfin! efa o lany lamaody reny zao, zay ah vo mba mitsiriritra, ahah! Efa naka ray ah zany mba hitovizana amin'ny sasany, izy ty nefa avieo manaikitra be, dia mbola ao izy ao.... ka lasa manontany tena ah oe so dia manaikitra daholo reny? ilay izy nefa efa totofana coton, efa coton no ngeza nohon'ny tongodra ao anatin'ilay kiraro! fa mbola marary... Nefa kiraro misokatra ko tsy dia tsara laotra entina miasa. Tena tsy hitako mihintsy oe ahona aloha atreto... Aleo tsy o tanisana eto daholo ny zavatra be dia be mila alaiko, fa hiteny fotsiny ah oe misy zavatra ray tiako vidina zay: ny anarany dia Toyota Land cruiser Prado. Lol!
