Nody mandry i Narisoa RAJAONARIVONY, invité du zoma 25 février

01.03.2011 15:41


Nisy zavatra saika nosoratako zay ndray andro mombana progra hitako taminy Viva, izay nampiseho ny mariazin'i Igor Bogdanoff (otrotrizay) sy ilay princesse blonde tsy tadidiko ny anarany... fa avieo tô tsy nanampotaona aho... fa tena tsara be, tiako be le Igor, artiste polivalent à 360 degrès, tsisy taona.
Fa zao zavatra hafa ndray no tiako lazaina. Tsy aiko ianareo ra mpijery "l'invité du Zoma", izao manarakaraka anio progra io 

Narisoa Rajaonarivony maty

matetika satria tsy de nahavatra nijery film faraparany teo ... dia taminy zoma lasa teo i Narisoa RAJAONARIVONY no invité... Za sy ny ankiziko zany niara nijery teo dia tena nankafia tokoa izay satria ny firesan'i Topokolahy Narisoa dia marina sy madio, madio, madio.
Indrisy, omaly ariva ah nolazain'ny ankizikoko  (za manko tsy mamaky gazety) oe nody mandry taminy alahady i Narisoa RAJAONARIVONY! roa andro tao aorinan'ny nahitan'ny besinimaro anazy tam tv+! sady tena jamais ah oe mbô mahita olona ankafizina aminireny mpanao politika reny fa samy manao ny fikany sady fetsy. Fa taminy io tena sady nahafinaritra no nananatra... nahafinarita satria ny firesany sady mampiomé. Am le "so what" sy ny mouchoir mamafa atsembohana isakiny minitra vitsivitsy :)
Lasa daholo ve ny tena tsara?Fa zao! tsy aiko nareo oe pro Ravalo sa Rajoelina, za tsy manaraka anio resaka io fa zao dia.... misy faritra fotsy ny lalana manasaraka ny vam!!! un pas en plus vers le developpement! lol.