Olivier, mpisoloko niseo tam vaovao tv+

22.03.2011 14:49

Tsy oe lasa blaogin'i tv plus akory ty fa misy zavatra mahavariana mintsy de par hasard moa tam vaovao tam tv+ no nahitako anio!

Misy bandy otriny very saina nitantara tam tv+ oe nisy namono daholo ny fianakaviany ono any Antsirabe, donc maty ny raiamandreniny sy ny zandriny enina, notapahin'ny jiolahy ono ny loanzareo ary ny zavatra namparikoditra  dia nolazaina fa nataonireo jiolay tao ambaniriana ny loan'izy valo mpianakams de ny vatana nataonzareo tany amboniriana ono. Nilaza izy oe Olivier no anarany de mba anampy anazy zany de oe mitady an'ny zokonivavy aty Antananarivo izy fa tsy itany intsony ny misy azy.

Kay ny ampitsoniny dia nilaza daholo ny oul oe mpisoloko izy ty, ary tsy nisy anzany famonona izany akory.Ny olana anefa dia efa higadra izy ty, nefa ny fahitako azy tsy olona fetsy fa misy olana arantsaina, misy tsy fahasalamana arantsaina!

Miaiky ah oe nanao nampalaelo izy de naka ny volan'ny oul, fa ra hitanareo izy tena sady tsy mikapa, very saina, tsy mahay mamaly fanontaniana fa manaraka resaka any antsainy any... oe maty ny raiamandreniny e, de zay foana oe nisy niantso ono izy avy any amizay nisy anazy.Sady izy tsy manery ny oul anomé vola, fa le oul malahelo anazy de mba manome frais sy otrotrizany. De zay foana zany ny ataony, mitantara oe maty ny raiamandreniny de tsy mangataka vola fa amen'ny olona vola. De mivezivezy eny.


Voloany indrindra, mino ah fa mila avvocat izy mba iprofo oe tsy salama arantsaina izy.

Faharoa, betsaka tokoa zao ratsy rehetra miseo amzao, de tohon'ny mahazatra moa dia reny olona mora alaina ireny sady tsy de manao crime graves no ampigadrana.

Fahatelo, i Rajoelina nangataka oe tsy mila manao déclaration fiscal ono izy satry efa nanao foana atramizay: signal ratsy be mintsy io. Ndao iara hitaky ahafantatra ny fandeambolany satry nilaza mazava izy talou oe tsy anakarena ny tenany no anaovany anio fa anampiana ny vahoka malagasy!!! Aleo tokoa o any i Olivier sy ny raimandreniny zay nofinofisiny foana  oe maty, fa tony zavatra sérieux tony no tokony tena andanimpotoana.

Faha efatra, i Olivier tsy nitaky vola, fa nitantara fotsiny, oe maty ny raiamandreniny sns. Ny olona no nalahelo dia nanome, enao kosa nge ra misy olona mandondona hafahafa ao antrano tokony tsy anaiky rebirebeny akory e!Ra itanareo ny tareanzany tena ita oe marary voan'ny dépression ary mila mpitsabo fa tsy mila gadra zany! iny ve tsy ataono reo mpigadra sasany tena .... hm!Ra nahita nareo dia mamelaha ny hevitrareo momanazy... fa amiko tokony tsy higadra mintsy iny Olivier inu fa tokony otsaboina! 

Izay ny tanaran'i Olivier na Solo na Daniel, izay mitaraina erakin'ny Antananarivo oe maty ny fianakaviny.