Pont rapitso...

30.10.2011 23:15

Pont rapitso... na tsy pont aza, efa naka congé ihany ah. 

Androany relax tanteraka, saika tsy nisy pro araka intsony, satria sady natory be ko nanomboka tam 12h katramin'ny 16h! ^_^ Nikorotana atramin'ny sakafo... tsy nisakafo atoandro, dia avieo nôna be de nihina karazanjavatra, nem, baigné, trondro fritte, madeleine, pizza! dia avieo ... lasa tsy nisakafo ariva koa! lol... dia izao, sady voky be no kamo hiverina atory! 

Efa film, sarimihetsika, fahatelo ito jereko ito androany ariva: "pour elle" ny lohateniny... Tsy de arako laotra satria sady mikarakara eto amin'ny net ihany ko ah. Vo nanokatra an'ito takelaka ito mantsy ah de nila namboarina daholo ny pejy. Fa amin'ny ankapobehany, otriny oe voagadra ny vadin'ilay rangahy dia te amporofo lery oe tsy namono olona ilay vadiny, dia lasa lery ndray no lasa namono sy nanakorotana ny fiainany... nefa zareo manana zanaka kely ray, boay kely mahafatifaty kely sady mbola zaza.

Ilay sarimihetsika voaloany nojereko teo, "Pur week-end", tena ratsy kely! tsotra laotra, otriny tsisy zavatra ambara nefa lazain'ilay nanao azy oe comique... Sady tsy nampiomehy ko nefa, mazava oazy! 

Ilay faharoa indray ra tsy diso ah dia "Le café de la gars", tsy ilaza ah oe ratsy fa... azo atao oe tsy de misy ambara koa. Film nalaina tamina boky izy io... mino ah fa ilay boky tsara be, fa ilay film ndray kosa tsy de tafavoaka laotra. 

Ito ray ito zao no somary manainaitra kokoa! au fait, film frantsay daholo izy reo, ka amin'ny film frantsay, mbola vitsy ihany no tena azo atao oe ankafiziko... 

Ankotrizay, feno moka be... nefa za amin'ny alina no tena mahita inspiration anaovana zavatra faona! tokony fenona lay ny plafond amin'ny toerana azo hipetrana rehetra! ohatra oe eto amin'ny pc ah de tokony misy lay juste mandrakotra an'ah sy le pc! hihi... lasa suspense be le film... navokan'ilay rangahy avy ao amin'ilay ponja mantsy ilay vadiny dia mitsoka izy roa! ao aorinan'io, ra mbola tsy te atory (sady pont rapitso e!!!) ampina sarimihetsika ray:

The smurfs! 

Peratra

Androany ah nividy peratra 200 Ariary anaky efatra... tiako be ilay ratsatanana feno peratra fa indrisy, efa nanana ah taloha fa very foana... ny ray mety oe mibolisatra eny andalana, ny ray eo ampanasana tanana, tsy ahy intsony, ny ray eo ampamafana trano de iny de lasa any anaty fako ^_^