Tamin'ny roa herinandro lasa
Tamin'ny roa herinandro lasa teo angamba, nandona akizikely tamin'ny scooter za sy ny ankiziko ... Ilay ankizy teo amin'ny trottoir dia tampoka be dia niezakazaka niepita! niakatra be ny afanana, mbola tsy aiko ny manao ZEN amireny ... satria voadona ilay zaza, ny frein-anay ko tsy 100 % be fa zany oe mety ra tsy misy zazakely miepita otrireny ... Efa azonareo ihany fa tonga dia nitangoronan'ny olona... Nisy ramatoa nibedy be ilay zaza, nefa ohy aho taminy oe tsy le zaza no manan-tsiny fa ny raiamandreniny. "Tsy reniny aho -ozy ilay ramatoa- fa ary ambadika ary ny reniny"....
Tsy aiko, malahelo ihany ah oe ny reaction-ako tonga dia atezerana, otriny tsy natsiaro akory ah oe nisy zaza voadona! izy aloha nanontaniana dia tsy naninona ono...
Akotrizay, misy site fiblogéna italianina izay, hidy zao le izy nefa za nanana blaogy telo be zao tao... so ihany fa tsy dia nahavatra nanoratra firy! misy olona tena efa 6 taona no manoratra aho sady ireny manoratra isan'andro ireny!!! dia arakin'ny voalazan'zareo, to sarotra be ny mamindra an'ilay blaogy satria ny sasany aza efa 10GO! Otriny tadidiko ery tamin'ny za nanana blaogy tao amin'ny yahoo, otrizay ko oe hidy le izy, ieny e tsy maninona ko fa za tsy dia manoratra sady tsy dia oe manoratra am-po be, ary refa manoratra am-po koa anefa, matetika zavatra mampalahelo eheheh :-D Ka aleo any zany!
Dia to ikatona koa ono zao ny Google Buzz, so ihany ko fa tsy nisy ninonina tao e! lol be! ny tena marina zany ra mandinika any aorina aho, dia mahita soratra lava fa tsisy ambara eheheh... Vao oe hidy moa zany i splinder.com (io le fiblogéna) dia nanokatra compte tamina community ray ah, afaka manokatra blaogy ko aho fa otriny tsy hitako oe atao inona ndray, fa ny tena tsara dia afaka manisy "j'aime" amin'ny lahatsoratrin'ny sasany ka mba afaka mifanoratra amina sipa koa zany, leo be mintsy ah oe vo mba manao an'ireny social network ireny dia bandy foana sady mitady sipa foana ahahah! Ny an'ah ny tena tiako dia ilay mifamaky blaogy izay mihintsy, mifamaky heritreritra sns...
Tamin'ny sabotsy ah naka kiraro iray ndray, satria tsisy afaka anaovana ny ballérines any antrano fa mbola maratra be ny tongotro ao aorina! Ahy, de naka famataranora koa aho, tsy mila mamaoka phone intsony zany dia malala lera !
