Tena tsy mande mihitsy...
Tena tsy mande mihitsy ngamba ny kojakoja anaovana ny volo mba oly... Androany ah mba nitady solon'ilay Garnier Fructis nananako tato, ilay manao volo oly, fa tena tsy nahita! (manao "boucles")

Tsy naintsy oe shampoing sy kojakoja manao volo tsotra ihany no nalaiko satria ireo ihany no nisy!


Ka androany ko tsy nisy courant tao amini'ilay mpanao voloko ... dia tonga dia androany ariva ihany ah no tsy maintsy ampiasa an'ilay crème... ny tena tiako nefa oe manasa loha dia avieo atao oly... fa tsy maninona, ny tena marina mila mitady ah, mety oe tsy misy any amin'ny supermarché fa any amin'ny magasin tsotra!
Arakin'ny nolazaiko anareo farany, niketrika hividy ballerine ah. Bon! nividy ray arany ah, fa voambaka be! satria hafa ny soratra eo amin'ilay kiraro dia hafa ilay vidiny any amin'ny caisse ... tsy vao voalohany moa izany no mitranga fa efa bizn'izareo mihintsy ... ka zay zany, 14 000 Ariary no elanelany! gaga ihany ah teo no ho eo oe lafo ny fitambarany ... tss...
Eto ambany eto ilay ballerine, soa ihany fa tiako (ihany) ! ny olana fotsiny ... tena manaikitra ihany na izany na tsy izany ... tss...

